<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>312</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Mitoera, ry Jesosy !
 Ao an-tanimbolinao,
 Ka amboary izao ny voly
 Mba hitombo sy hamoa,
 Tomoera ;
 Iasao ny nosinay.

[V2]
 Mba onenonao ny lasy
 Itoeranaoy izao,
 Ka ovay ny Malagasy
 Mba ho tena zanakao,
 O ! nomena ;
 Hazavao ny nosinay.

[V3]
 Akekezo ireo mpania
 Tafaverina Aminao,
 Ka tantano mba ho tia
 Ny miresaka Aminao,
 O ! tariho
 Ho Anao ny nosinay.

[V4]
 Dia fohazy ny mpitory,
 Mba hanao ny asanao,
 Ka hamoha ireo matory
 Mba handre ny sitrakao,
 Hamasino
 Ho Anao ny nosinay.

[V5]
 O ! Jesosy feno antra !
 Dera, laza, ho Anao,
 Ny lohalika rehetra
 Handohalika Aminao,
 Mitoera,
 Fa Anao ny nosinay.</lyrics>
<title>Mitoera, ry Jesosy! FFPM312</title>
<author>J. Hughes</author>
</song>